Ny nosy Mindanao

I Mindanao dia iray amin' ny nosy ao amin' ny tangoro-nosin' i Filipina ka ao atsimo no misy azy. Mahatratra 480 km ny halavany avy atsinanana miankandrefana. Izy no nosy faharoa lehibe indrindra ao Filipina aorian' i Luzon. Ny Ranomasin' i Celebes no mamaritra azy ao atsimo, ny Ranomasin' i Sulu no ao andrefana, ny Ranomasin' i Mindanao no ao avaratra ary ny Ranomasin' i Filipina sy ny Ranomasimbe Pasifika no ao atsinanana.

Nosy be tendrombohitra rakotra ala i Mindanao ka ny avo indrindra dia ny tendrombohitra Apo izay manana haavo mirefy 2 954 m ambonin' ny ranomasina. I Rio Grande sy i Agusan no renirano lehibe indrindra ao.

Tamin' ny taona 2010 dia nahatratra 20 300 000 ny mponina ao Mindanao[1]. Mpamboly katsaka sy vary sy akondro ary mananasy ny mponina ao, ary vokatra ao koa ny voanio sy ny kĂ´frĂ . Ahitana volamena sy varahina sy vy ary arintany ny ao Mindanao. Miompy koa ny mponina ao. I Zamboanga sy i Davao ary i Cagayan de Oro no tanĂ na lehibe indrindra ao.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. ↑ Raymond Blanadet, L'Asie du sud-est, Presse universitaire de Nancy, 1992, 344 p. (ISBN 2-86480-379-8), p. 178-191